Hotapahin’ireo solombavambahoaka amin’ny 11 desambra ho avy izao ny tokony hanenjena na tsia eo anivon’ny Haute Cour de Justice na HCJ ireo tomponandraikitra ambony teo amin’ny fitondrana tahaka ny minisitra teo aloha. Andraikitra lehibe no baben’ireto solombavambahoaka satria raha ny filazan’ny avy ao amin’ny vaomiera mandinika ity raharaha ity, dia miankina amin’izireo tanteraka ny ho avin’ireo tomponandraikitra ireo.  


Marina tokoa fa miankina amin’ireto solombavambahoaka ireto ny hitohizan’ny fanenjehana ireto minisitra ireo, kanefa fahadisoana lehibe ny fiheveran’izy ireo fa miankina aminy ny fanamelohana . somary nahagaga mantsy ny filazan’ny depiote Tsabotokay Honoré teo anatrehan’ny mpanao gazety maro fa ilaina fandinihina lalina ireo raharaha ireo satria, hoy ihany ny tenany, « aleo mamotsitra olo-meloka toy izay mampigadra olo-tsy meloka ».
Asa, tsy fahafantarana ny anjara andraikitra ve sa tsy fahaizana tsotra izao ?  Mahagaga tokoa satria tahaka ny mihevi-tena ho mpitsara avy hatrany ireto solombavam-bahoaka.
Ny marina anefa, mijanona hatreo amin’ny fanapahana hoe azo alefa ho tsarain’ny HCJ  ilay minisitra, na tsia. Anjaran’ny HCJ avy eo ny tohiny, izany hoe no mitsara ary manameloka na tsia ilay minisitra.


Na izay fahefana eo ampelatanan’ny solombavambahoaka izay aza dia efa mahabe ady hevitra satria efa be loatra hoy ny maro. Raha heverina tokoa mantsy, ny manameloka no tsy vitan’ireo depioté fa ny manafaka madiodio kosa dia tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny fahefany. Raha manapaka amin’ny alalan’ny tsanga-tanana toka mantsy izy ireo fa tsy alefa any amin’ny HCJ ny raharaha mikasika olona ambony iray, midika izany fa tsy misy ary tsy azo asiana tohiny intsony na aiza na aiza io raharaha io. Izay midika raha tsorina fa afaka madiodio amin’ny vesatra hiampangana azy ilay olona ary tsy mila mandalo fitsarana intsony. Izany tokoa mantsy no voalazan’ ny lalana.
Indrokely anefa : marina fa tsy tamin’ireto solombavambahoaka eny Tsimbazaza amin’izao fotoana izao no nampalaza ny « malety », mahasadaikatra ihany anefa ity fanemorana lava ity. Mahasadaikatra toy izany ihany koa ilay filazana hoe «  aleo manafaka olo-meloka toy izay managadra olon-tsy meloka » kanefa tsy fahefam-pitsarana akory ny Antenimierampirenena.


Enga anie koa ka noho ny fampiantsoana azy ireo hanome fanazavana bebe kokoa mikasika ny raharaha hanenjehana azy ireo no antony ahitana ny fiaran’ireo minisitra voampanga ireo eny amin’ny manodidina ny eny Tsimbazaza matetika tato ho ato.
Enga anie ka efa navalon’ny tantara izany resaka « malety » izany
Enga anie ka ho diso ny eritreritr’ireo mpanara-baovao  ary tsy ho marina ny ahiahiny
Ary farany, enga anie ka hanatanteraka antsakany sy handavany ny andraikitra napetrakin’ireo nifidy azy ireo tokoa ireo solombavambahoaka ankehitriny ireo.

N. Randria