Hitondra aina vao sy hanatsara ny tontolo ara-toekarena eto Madagasikara ny fihenan’ny vidin’ny solika ankehitriny hoy ny mpahay toe-karena. Dingana lehibe ny vitan’ny fitondrana sy ireo kaompanian-tsolika ary hanome fahafahana mamokatra sy hahazo tombony bebe kokoa ho an’ireo orinasa sy mpandraharaha izay miankina amin’ny solika ny famokarana sy ny asa.
Ho an’ny isan-tokantrano kosa dia hisy akony amin’ny fahefa-mividy ny fihenan’ny vidin-tsolika. Isan’ireo tena mila izany fihenam-bidy izany I Jocelyn, mpamily fiarakaretsaka. Na ho an’ireo miankina mivantana amin’ny solika ny asany na ho an’ireo olon-tsotra, ary indrindra ho an’ireo orin’asa, mitondra tombony hatrany ny fihenan’ny vidin-tsolika izay fomba iray mahomby hanatsarana ny tontolon’ny toe-karena sy ny fari-piainana.
Ary manoloana ny toe-java-misy amin’ny tsenan’ny solika maneran-tany sy eto amintsika dia govana ny dingana vitan’y fitondrana. Maneho ny fifampitokisana misy eo amin’ny fitondrana sy ireo mpandraharaha ihany koa izao nahavitana nanena ny vidin-tsolika izao. Nahena ny saran’ny fitaterana ny solika izay lafo loatra sy ny sarany amin’ny fitsinjarana izay nakan’ireo kaompania tombonya vo loatra teo aloha.
Porofo ihany kao fa efa anatin’ny mangarahara sy manalavitra ny kolikoly ny sehatry famatsiana solika eto Madagasikara. Ary satria dia naato manomboka izao ny voal fanampiana omen’ny fanjakana nitazomana ny vidin-tsolika hatrizay dia 248 lavitrisa ariary be izao isan-taona no volam-panjakana azo avy amin’izany.
Hahavitana asa sy fotodrafitr’asa maro hafa ka hanatsara ny fitantanana sy ny toe-karena iray manontolo. Ankatoky ny fetim-pirenena rahateo isika, maneho ny fiandrianam-pirenena sy fandresen’ny vahoaka Malagasy ny nahavitan’ny fitondrana mifampiraharaha tamin’ireo kaompanian-tsolika ka nahazoana vokatra tsy fahita teo amin’ny tantara toa izao.
Judicaël RANDRIANIRINA