Miisa 140 ireo tanora malagasy avy amin’ireo faritra maro eto Madagasikara mandray anjara amin’ny fihaonam-be iraisam-pirenena ny tanora sy ny sehatrin’ny asa ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana eny amin’ny CCI Ivato mandritrin’ny 5 andro. Ny sehatrin’ny fandraharahana ho an’ny tanora no tena omena lanja amin’ity andiany voalohany ity. Samy manana ny tetik’asany ireo tanora mandray anjara amin’ny hetsika ary io tetik’asa io no hampafantarina ao anatin’ny “ Foire aux emplois verts”. Ny tetik’asa fanamainana legioma no atolotr’ity tanora mpandraharaha eto amin’ny foara ho an’ny asa fiarovana ny tontolo iainana ity. Raha manana legioma 100 kilao izy ka hamainina dia lasa 10 kilao izany, raha ny nambarany. Antony nanaovany ny tetik’asa ny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo indrindra amin’ireo toerana saron-dalana. Ny legioma maina rahateo mora ny fitaterana azy, raha ny nambarany hatrany.
Anisan’ireo tetik’asa mifaninana ihany koa ny tetik’asan’ity ramatoa kely ity. Ny fambolena katsaka amin’ny teknika vaovao ary maharitra kokoa no imasoany. Ireo mpiompy no tena voakasika amin’ity teknikam-pambolen-katsaka vaovao ity. Ny orinasa kosa no efa mitsangana ho an’I Andry avy an’I Anivorano Brickaville.
Sahalemaka no anarany ary efa fambolena sy ny fiompiana no tena sehatra hiantsorohany saingy amin’ny toerana voafaritra. Ny fanondranana ireo vokatra vokarina kosa ny azy no tanjony ankehitriny. Ankoatran’ny fambolena sy ny fiompiana, hita aty amin’ny foara ho an’ny asa fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny tetik’asa misehatra amin’ny TIC ho an’ny fampandrosoana, ny fanodinana ny rano sy ny fako, ny angovo azo havaozina, ny indostria manodina vato, ny fizahantany, ny fialam-boly samihafa, ny asa vaventy sy ny maro hafa. Misokatra ho an’ny daholobe ny Alarobia 18 jiona manomboka amin’ny 2 ora tolakandro kosa ny foara.
Naté RAKOTOMAVO – Njara RANDRIANTSOA