Nihazo ny faritra avaratry ny nosy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny 22 may 2019. Raha avy nitsidika ny faritra SAVA ny tenany dia nijanona tao Antsiranana. Nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoakan’Antsiranana dia nanamafy hatrany ny velirano nataony izy dia ny tsy maintsy hananganana sy hanarenana ireo fotodrafitrasa ho fampandrosoana ny faritra.

Efa misy ny asa efa natomboka toy ny fanamboarana ny lalana Ambilobe-Vohemar, ary efa eo am-pelantanana ny famatsiam-bola entina hanamboarana ireo fotodrafitrasa maro ao an-toerana toy ny lalana RN6, ny fanarenana ny hopitaly, ny tsena, ny kianja fanaovana fanatajahan-tena ary ho fanatsarana ny endriky ny tanàna ankapobeny. Notsipihan’ny filoha Andry Rajoelina manokana ihany koa ny momba ny fandaharanasa Fihariana izay entina hanampiana ireo tanora miditra ao anatin’ny sehatry ny fandraharahana mba hahafan’izy ireo mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy hitsanga-menatra isika hampandroso ity firenentsika ity mba ho reharehantsika rahatrizay i Madagasikara hoy ny filoha Andry Rajoelina.

Marihina fa niaraka tamin’ny Filoha tao Antsiranana ny Praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ka nanatanteraka ny filankevitry ny ministra voalohany ivelan’Antananarivo.

 

N.R.