MATSO MAHAMASINA

Tamin’ny 2 ora tolakandro no nigadona tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, nanome voninahitra ny faha 59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena izay mifanindran-dalana amin’ny fetin’ny foloalindahy Malagasy. Efa tonga nialoha teny an-toerana ny vadin’ny filoha Mialy RAJOELINA, torak’izany ihany koa ny filohan’i Twanda Paul KAGAME. Niavaka ny fahatongavany, vehivavy avy amin’ny foloalindahy Malagasy no nanokatra ny varavaran’ny fiara nitondra azy. Ny hita ihany koa, vehivavy avy amin’ny foloalindahy ireo nampiakatra ny sainam-pirenena tetsy Mahamasina. Nampandraisina andraikitra mivantana ireo vehivavy ary samy nahita izany ny Malagasy nandritra ny alarobia faha 26 ny volana jona teo. Ankoatra ireo vehivavy ireo, efa misy ihany koa ireo brigady izay vehivavy avokoa no mandrafitra azy, nandray anjara tamin’ny matso izy ireo.
Tetsy ankilany, niavaka tanteraka ny matso notontosaina. Ankoatra ireo vondron-kery teto Madagasikara, nandray anjara tamin’ny matso ihany koa ireo tafika vahiny. Fampisehoana miavaka narahina fahaiza-manao ihany koa no nasehon’ireo mpilatsaka an’elon’aina. Nisidina ny habakabak’i Mahamasina ihany koa ireo angidimby sy fiaramanidina avy amin’ny fitondram-panjakana an’ny foloalindahy. Naseho ampahibemaso nandritra ny matso ihany koa ireo fiara vaovao an’ireo vondron-kery samy hafa. Nisy ny sarin’ady naneho ny fiatrehan’ireo foloalindahy malagasy ny asan-dahalo, hiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Niavaka tanteraka iny matso iny. Sambany teo amin’ny tantara no niavaka tanteraka ny fankalazana ny asaramanitra.
Jean Claude ANDRIAMALALA