Hanomboka ny zoma ho avy izao ny « Podium goavam-be » etsy amin’ny Place RALAIMONGO Analakely anatin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena. Isan’andro hanomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva ary tsy hitsahatra raha tsy amin’ny 7 ora sy sasany hariva ny « Grand Podium ».

Mpihira am-polony maro, kalaza avy amin’ny faritra manerana ny nosy, ary mpihira iray nafarana manokana avy any Canada no hampifaly ny Malagasy mandritra ireo andro hitsenana ny fankalazana ny fitsengerenan’ny fiverenan’ny fahaleovan-tenam-pirenena.

Hiavaka mitaha amin’ireo Podium rehetra nisy hatramin’izay ny Podium atolotry ny fiadidiana ny repoblika ho an’ny Malagasy hitsenana ny fetin’ny fahaleovan-tena amin’ity taona 2019 ity. Zava-kanto ho an’ny sokajin-taona maro. Seho an-tsehatra, dihy. Hampiray ny vahoaka an’Antananarivo, hiaram-paly , hanamafy orina ny firaisan-tsaina, ny fifankatiavana sy  ny firaisan-kiana. Toy izao entin’ny Coach fidy izao ny fandaharam-potoana manomboka ny faha 24 ka hatramin’ny faha 25 ny volana jona.

 

Zoma 21 Jona (Rock)

Iraimbilanja

Kiaka

Mage 4

 

Sabotsy 22 Jona (Tropical)

Jerry Marcoss

Tsiliva

Damama

 

Alahady 23 Jona (Mahamasina-Hiram-piderana)

 Maggie Blanchard

TGC sy maro hafa

Alahady 23 Jona (Analakely)

Loic Rak Roots

Raboussa

Tsota

Sy maro hafa

 

Alahady 24 Jona (Analakely)

Rebika

Njakatiana

Kaiamba grand complet

 

Alahady 25 Jona (Analakely)

Shyn

Denise

sy maro hafa

 

Arak’izany ho tapaka tanteraka ny lalana eo amin’ny Pavillon miditra amin’ny lalana mihazo ny Avenue de l’indépendance sy ny lalana eo anolaon’ny Glacier manomboka ny zoma ho avy izao amin’ny efatr’ora sy sasany ka hatramin’ny valo ora sy sasany alina. Hisy kosa ny fandaminana vaovao, ho apetraka, toa ny fanaovana “Double” sense ny lalana mihazo an’Andohananalakely avy amin’ny SICAM sy any ambadikin’ny Pavillon.   

 

Sahy SYLVAIN

Setra RANDRIANASY

Anjara RAJAONARIVELO