Nanatanteraka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin'ny fiangonana Anatirova, ny Filohan'ny Repoblika sy ny governemanta tarihan'ny Praiministra.
Ho fametrahana ny fikasana rehetra amin'ny fitantanana ny firenena eo am-pelatanan'Andriamanitra no anton'ny fotoam-pivavahana, araka ny tenin'ny filohan'ny Repoblika hoe "ny finoana tsy arahina asa dia zava-poana".
Nandritra ny fandraisam-pitenenana fohy izay nataony no nilazan'Atoa filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa manam-pinoana lehibe ny tenany ary resy lahatra izy fa raha Andriamanitra no momba antsika, tsy hisy hahasakana ny fikasana ho amin'ny fanavotana ity firenena ity.
Tao anatin'izany ihany koa no nilazany fa misy antony manokana ny nisafidianana ny fiangonana Anatirova nanaovana ny fotoam-pivavahana satria tamin'ny 1896 isika no lasa zana-tany ary teo amin'io toerana io no nahaverezan'ny fahaleovan-tenantsika. Ankehitriny dia ny fitondram-panjakana mijoro no hamerina ny fahaleovan-tena sy ny fiandrianam-pirenena izay very ka tao Anatirova no nanamarihana ny fiaingana amin'izay fikatsahana ny famerenana ny tena fahaleovan-tena marina izay.
Taorian'ny fotoam-pivavahana dia nitsidika ny tao anaty Rova ny filohan'ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, niaraka tamin'ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nijery ny asa tsy maintsy hotanterahana ao anatin'ny fanarenana.