Efa madiva ho vita ny tapany voalohany avy aty avaratra amin’ny tetikasa Miami eto Toamasina. Ny farany volana janoary 2022 ho avy izo dia efa ho hita taratra ny hakanton'ny moron-dranomasin'i Toamasina. Manaraka tanteraka ireo fenitra ara-teknika ny asa rehetra izay nankinina amin'ny orinasa Malagasy ny fanatanterahana azy. Ahitana « pavé autobloquant sy béton incorporé » maroloko ireo toerana fitsangatsanganana. Efa an-dalam-pamaranana ihany koa ny fanamboarana ny terrain de basket-ball, ny toerana fanaovana fanatanjahantena ankalamanjana, ny skate park goavambe. Ny jardin des amoureux kosa dia efa tazana ny fivoakan'ny endriny amin'ny ampahany ary ho ezahina ho vita mialoha ny faran'ny taona izany.
Hahazo tombony mivantana amin’ny fahavitan’ity tetikasa Miami ity ireo mpivarotra miisa 321 teto amin’ny bord. Omne toeram-pivarotana tsara tarehy mendrika izy ireo. Hisy ihany koa fanofanana sy fanaraha-maso mba ho matihanina ny tolotra ara-barotra omen'izy ireo. Tafiditra ao anatin'izany ny fanofanana izany ny fitantanana tetikasa sy vola ary fampiasam-bola, ny développement personnel sy fandraharahana mba hivoatra sy hiroborobo asa ataon'izy ireo. Ao koa ny lafiny fahadiovana sy ny kalitaon'ny tolotra sy vokatra hamidy mba ho matihanina tanteraka ny varotra atao amin'ireo toeram-pivarotana ao Miami. Anisan'ny hahazo toerana manokana sy hisitraka fiofanana ihany koa ireo vehivavy mpanao asa tanana ao amin'ny Faritra Atsinanana.