Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 10 febroary 2021 fa 1200 ariary ny kilaon’ny Vary Tsinjo ary 4000 ariary ny litatry ny menaka eny amin’ny Tsena Mora ho an’ny rehetra manomboka ny 12 febroary. Tapaka ihany koa fa in-telo isan-kerinandro no hivarotana izany, dia ny Alatsinainy, ny Alakamisy ary ny Sabotsy.
Antananarivo renivohitra sy ny manodidina no hanombohana ny asa, hotohizana eny anivon’ny renivohim-paritany rehetra izany manomboka ny herinandro ambony. Hisy ny fanarahana akaiky ny fampiharana sy ny
fitsinjarana izany manerana ny Nosy.
Tsy ekena ny fanararaotana sy fampiakarana ny vidin’entana eny an-tsena izay mipàka mivantana any amin’ny vahoaka. Koa hisy ny fivoriana lehibe iarahana amin’ny mpandraharaha, ny mpamongady ary ny mpaninjara
miantsehatra eo amin’ny fitsinjarana ny sakafo ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina, ka hametrahana ny lamina sy hifampiresahana handrindrana ny vidin’entana mba hifampitsinjovana manoloana ny olana
nateraky ny valan’aretina sy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny tanjona dia ny hampihenana 10% ka hatramin’ny 18% ny vidin’entana ilaina andavanandro eny an-tsena.
Nitory ilay orinasa any Dubaï
Mikasika ilay raharaha fanondranana antsokosoko, ny orinasa Parpia Gold and Jewels trading, LLC any Dubaï no mitonona ho tompon’ilay volamena tratra tatsy Afrika Atsimo. Nambara nandritra ity filankevitry ny minisitra ity ihany koa fa nitory an’io orinasa any Dubaï io ny fanjakana Malagasy noho ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena Malagasy. Efa eo am-pelatanan’ny Ministeran’ny fitsarana Afrikana Tatsimo ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny fanjakana roa.