FANORO - Fanatsarana Ombivavy be Ronono : Mpampanaraka enti-tanana 20 vita fiofanana
FANORO - Fanatsarana Ombivavy be Ronono : Mpampanaraka enti-tanana 20 vita fiofanana
Vita nandritra ny volana desambra 2020 sy janoary 2021 ny fampiofanana ireo mpampanaraka enti-tanana vaovao 12 sy efa manana traikefa 8 hiasa manerana ny faritra 3 mpamokatra ronono eto Madagasikara dia Vakinankaratra, Analamanga sy Itasy. Ny tanjon'ny fampiofanana moa dia ny hanatsara ny taha-pamokarana ronono amin'ny alalan'ny fanatsarana ny taha-piterahana zanak'omby. Mpitsabo veterinera moa no nitarika ny fampiofanana izay natao tao amin'ny FIFAMANOR Andranomanelatra, Antsirabe.
Izy 12 mianadahy ireto dia voahofana ho mpanolo-tsaina ho an'ireo mpiompy sady teknisiana mahafehy ny teknolojia vaovao momban'ny fampanarahana enti-tanana.
Tsiahivina fa FIFAMANOR sy ny orinasa Socolait no mpiara-miombon'antoka ara-teknika anatin'ity tetikasa ity.
Source Fihariana