Ezaka mifanindry an-dàlana amin'ny fampianarana sy ny ady atao amin'ny tsy fanjarian-tsakafo ho an'ireo zanantsika any Atsimo dia tsy natao ambanin-javatra ny momba ny fahasalaman'izy reo anatin'ny tetikasa AVOTSE.
Resy lahatra amin'izany ny OMS ka hanohana ny tetikasa amin'ny sehatra rehetra ilaina hampivoarana ny fahasalaman'ireo mpianatra ary ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.
Tafiditra amin'izao fiaraha-miasa izao avokoa ny fanentanana, ny fisorohana ary fampiroborobona sy ny fanaraha-maso ara-dalàna ny fahasalamana :
• fanaovana vaksiny
• fizarana odi-kakana
• fizahana nify, sns
Mankasitraka indrindra ny OMS miaraka manohana ireto zanaka sy mpiray tanindrazana amintsika any amin'ny faritra Androy sy Anosy mijaly noho ny Kere.