Fanavaozana EPP miisa 6, Faritra Androy sy Atsimo
Ny fampianarana no antoka lehibe amin'ny fampandrosoana satria ny hoavin'ny firenena manontolo no miankina aminy. Mifototra amin'izany tanjona izany tanteraka ny tetikasa AVOTSE ankehitriny.
Mankasitraka indrindra ny Fondation VISEO sy ny OIT izay mitondra ny anjara birikiny anatin'izao tetikasa AVOTSE izao amin'ny alalan'ny fanavaozana ireto EPP miisa 6 ho an'ireo zanantsika miaina ny vokadratsin'ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo ireto. Ankizy miisa 1385 no afaka hisitraka toeram-pianarana vaovao indray.